Fandrindram-piterahana : Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana

Ahafahana misoroka ny vohoka tsy nirina, mitondra amin’ny fanalan-jaza sy fahafatesana, ny fizarana fahalalana ho an’ny ankizy sy ny tanora momba ny fanabeazana ara-pananahana.

Taorian’ny famoahana ny vokatry ny fanadihadiana nasionaly momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, taona 2024-2025, nisongadina fa tandindomin-doza ny fahasalaman’ny tovovavy eto amintsika. Adolan­tsento 15- 19 taona avokoa ny 17% amin’ireo reny mamoy ny ainy noho ny vohoka tsy nirina sy ny fahasarotana noho ny fanalan-jaza eny anivon’ny hopitaly. Manentana amin’ny hametrahana fanabeazana ara-pananahana feno ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (UNFPA) hanampiana ny ankizy sy ny tanora hahazo izany mifanaraka amin’ny taonany. Amin’izao fotoana, tsy azon’ny mpisehatra atao ny manao fanentanana momba ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana eny anivon’ny sekoly, taorian’ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny taona 2023. Manambara ny naoty fa ny tsy firosoana
amin’ny firaisana ara-nofo no lalantsaina voizina any an-dakilasy, ahazoan’ny ankizy manohy ny fianarany. Ny fandaharanasa fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra (EVH) no entin’ny mpanabe isan-tsokajiny mampita sy mitaiza ny ankizy, ny zatovo sy ny tanora mpianatra. Manomboka amin’ ny garabola ny fanabeazana ka hatrany amin’ny fahazoana ny diplaoma bakalorea.
Ankoatra ny fanabeazana ara-pananahana feno, tolo-kevitra taorian’ny fanadihadiana nasionaly koa ny faha­zoan’ny zatovovavy mitondra vohoka na koa niteraka miverina an-dakilasy. Tsy afaka misitraka fampianarana intsony kosa anefa ilay tovovavy raha niditra tamin’ny fanambadiana ara-panjakana na araka ny fomba, araka ny naotin’ny minisitera ihany satria mifanohitra amin’ny foto-kevitry ny minisitera izany.

Vonjy

Partager sur: