Nitsidika ny Ivontoerana nasionaly misahana ny famokarana fitaovana pedagojika sy didaktika (Cnapmad) ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina, omaly. Ivontoerana iray eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, manana traikefa 42 taona, ary mamelona mpiasa manodidina ny 150 isa ny “Cnapmad”. Izy ireo izay miandraikitra ny famokarana ny fitaovana didaktika sy pedagojika ; ny fanamboarana ny fanaka ho an’ny sekoly; ny “verrerie de laboratoire” ary ny fivarotana ireo vokatra ireo. Nisy ny fitsidihana ireo sampandraharaha rehetra eo anivon’ny Cnapmad, ahitana ny imprimerie, Fabrication et maintenance, Administratif et affaire financier ary ny Commercial et Marketing izay notarihin’ny tale jeneraly sy ireo tale tsirairay avy niaraka amin’ireo mpiasa rehetra.
Nandritra izany ihany koa no nihainoana ny hetahetan’ireo mpiasa sy mpitantana. Nanome toky ny minisitra fa hitondra vahaolana mifandraika amin’izany. Matetika misy olana noho ny tsy fahazoana karama ara-potoana sy ny disadisa eo amin’ny mpitantana ny mpiasa.
Vonjy




