Handray ny kongresin’ny Federasionin’ny farmasianina matihanina eto amin’ny ranomasimbe Indiana (FPOI), andiany faha-31, ny fikambanan’ ny farmasianina eto Madagasikara (APM). Hotontosaina ny 9 sy 10 avrily, eny amin’ny CCI Ivato, ny fivoriana, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Fikambanana mampivondrona ny farmasianin’ny firenena eto amin’ny ranomasimbe Indiana ny FPOI, ahitana an’i Maorisy, Comores, La Réunion ary Madagasikara. “Tanjona ny hanamafy ny firaisankina sy hampiroborobo ny fifanakalozana siantifika sy teknika. Eo koa ny hametraka sehatra iombonana handinihina ny olan’ny fahasalamam-bahoaka eto amin’ny faritra”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny APM, Randrianaivo Hortense.
Natao hanamafisana ny fanofanana mitohy sy hampivoarana ny kalitao eo amin’ny sehatry ny farmasia ny fihaonana. Hetsika hampivondrona farmasianina, matihanina
amin’ny fahasalamana, mpikaroka ary manampahaizana ara-tsiantifika eto an-toerana sy eto amin’ny ranomasina Indiana izy ity. Lohahevitra voafidy ny “Santé et nutrition: enjeux pharmaceutiques, innovations et perspéctives en santé publique ». Maneho ny fanamby sy vina atrehin’ny rafitra ara-pahasalamana amin’izao fotoana izao sy manasongadina ny andraikitry ny farmasianina eo amin’ny fitsaboana, sakafo ara-pahasalamana ary ny fahasalamam-bahoaka izany. Mizara fivoriana efatra ny kongresy izay tarihin’ ny manampahaizana ambony sy matihanina amin’ny sehatra misy azy avy.
Vonjy




