Nanolo-tanana ho an’ny marefo, teny amin’ny BNGRC, omaly, ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany.
Nitondra vary 263 000 kg, tsaramaso 24 500 kg, menaka 8000 l ary siramamy 13 000 kg izy ireo hanampiana ny mpiara-belona. Indray mandeha isam-bolana, manao fifadian-kanina ny mpino ka ny vola tokony hividianana sakafo no hatolotra ampiasain’ ny fiangonana hanampiana ny sahirana maneran-tany. “Fanehoana ny fitiavana an’Andriamanitra ny fitsinjovana ny mpiray tanindrazana”, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny fiangonana, Rajaonarison Tahiana. Nanamarika izy fa manampy amin’ny fanabeazana, rano, fahasalamana koa ny fiangonana eto Madagasikara. Isan-taona, tonga manome tantsoroka ho an’ny marefo ity fiangonana ity.
“Rehefa nifandinika tamin’ ny solontenan’ny mpitantana ny fiangonana ny mpiandraikitra ny BNGRC, tapaka fa hanampiana ireo olona tratran’ny tsy fahampian-tsakafo any Atsimo sy Atsimo Atsinanana ireo fanomezana avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ ny olomasin’ny andro farany”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel. Kaominina 32, anatin’ny distrika dimy, no voatily fa manana olana ara-tsakafo. Misy efa voasokajy anatin’ny hamehana amin’izao fotoana izao, ka halefa any ireo fanampiana vao azo ireo. Voakasika avokoa ny faritr’i Vatovavy, Fitovinany, Anosy, Atsimo Andrefana.
Hiainga, anio, eto Antananarivo, ny fiarabe hitondra ny sakafo ary hanomboka ny talata ho avy izao ny fizarana ny fanampiana hotanterahin’ ny mpiasan’ny BNGRC. Ho laharam-pahamehana ny kaominina Maromby, Ejeda, Ampanihy… satria efa voasokajy ao anatin’ny loko mena. Amin’ ny volana jona, aorian’ny fiakaran’ny vokatry ny fambolena, vao hihatsara ny antoka ara-tsakafo any amin’ireo kaominina ireo. Hitohy mandritra ny volana maromaro, araka izany, ny tohana miaraka amin’ ireo mpiray ombon’antoka efa miasa any an-toerana. Hatramin’izao, tsy mbola misy maty vokatry ny tsy fanjairan-tsakafo na eo aza ny hamehana momba ny fiahiana ara-tsakafo.
Vonjy




