Notanterahina ny herinandro teo ny hetsika fanadiovana sady fanohanana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny asa tanamaro (Himo) teto an-dRenivohitra. Niompana amin’ny fanadiovana lakandrano izany.
Mirefy 15 000 m ny halavan’ny lakandrano nodiovina amin’ireo boriborintany enina. Anisan’izany ny eny Andohatapenaka II , Androndra Ampamantanana, Ankatso, Antanimora, Ampasanimalo, Ambohipo, Mandroseza Ankazomanga, Andranomahery, Ankorondrano, Anosibe Ouest II, Anosibe Est I, Anosizato Est II. Nipaka teny Soavimasoandro, Ampanotokana, Andraisoro, Tsarahonenana, Ambohidahy, Ankazomanga-Andraharo, Andraharo-Ampandriambehivavy, Ambatolampy-Mamamba ary Ambilanibe ny asa. Miisa 2 500 ireo mpiasa nanao izany, tao anatin’ny dimy andro, ka ora telo isan’andro no iasana. Samy nisitraka 10 000 Ar sy vary 5kg isan’andro izy ireo.
Nambaran’ny vadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Elisa, fa “natao izany ho fanadiovana ny lakandrano. Fa eo koa ny fisorohana ny tondradrano, indrindra ireo eny amin’ny faritra iva”.
Niteraka asa ho an’ny mponina
Niteraka asa ho an’ny mponina amin’ireny toerana nodiovina ireny koa izany na an-tselika ihany aza, indrindra niatrehana ny fety sady fiahiana ara-tsosialy ny mponina. « Tafiditra amin’ny fandaharanasantsika izao hetsika izao, ho amin’ny fanohanana ireo marefo. Eo koa ny lafiny fahasalamana sy ny fahadiovana», hoy izy. Nanamafy izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Rakotoniaina Cathia, fa “mamaly ny hetahetan’ireo marefo ny minisitera tantananiny ary mandray andraikitra ho amin’ny fijerena ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina.
Tsiahivina fa niara-miasa amin’izao hetsika izao ny kabinetran’ny vadin’ny filoham-panjakana, ny avy amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary ny fitaleavana momba ny sosialy eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana. Eo koa ny avy amin’ny Apipa sy ny Fanilon’ny fanavaozana (FFM).
Tatiana A.




