ACSSQDA : Niofana ireo teknisianin’ny laboratoara

Mitana andraikitra lehibe ao anatin’ny rafitra nasionaly fanaraha-maso (système de surveillance) eto Madagasi­kara ny Ivontoerana misahana ny fanaraha-maso ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Manoloana ny fitomboan’ny fepetra ara-barotra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ilaina ny hananan’ny laboratoara ny fahaiza-manao ara-teknika eken’ny rehetra sy ny fomba fitiliana voamarina, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Ho fanamafisana izany paikady izany, nisy ny fampiofanana manokana nokarakaraina tany Toamasina ho an’ireo teknisianin’ny laboratoara “ACSSQDA” Antananarivo sy Toamasina, ny herinandro lasa teo. Tanjon’ny hetsika ny hanatsara ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-drafitra ho azy ireo. Hanatsarana koa ny kalitaon’ny fitiliana atao ao amin’ny laboratoara, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa TCP/MAG/4001, vatsian’ny Sampandraha­ra­han’ny Firenena mikambana misahana ny sakafo (FAO), ny fiofanana. Lohahevitra roa lehibe no noresahina nandritra izany. Teo ny fijerena sy fandalinana ireo fepetra takin’ny fenitra NF EN ISO/IEC 17025, ilaina amin’ny fahaiza-manaon’ny laboratoara. Eo koa ny fandalinana manokana mom­ba ny fakana mycotoxine sy vanilline (extraction) izay miantoka ny fanarahana ny fenitra sy ny kalitaon’ny sakafo. Aorian’ny fiofanana, hisy ny fampiharana ara-teknika ny fahaizana sy fahalalana no­rantovina, hanomboka ny 13 avrily hatramin’ny 17 avrily ho avy izao, ao amin’ny laboratoara ACSSQDA Tsara­lalàna.

Vonjy

Partager sur: