Andro maneran-tany momba ny fahasalamana, omaly. Notanterahina teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika mifandraika amin’izany. Fizaham-pahasalamana maimaimpoana no nentina nanamarihina io andro io ka vao maraina dia efa nilahatra ny vahoaka hisitraka izany. Nisy ny fizahana fahasalamana sy fanomezana fanafody mifandraika ny aretina voatilin’ny mpitsabo. Notilina koa ireo aretina tsy mifindra toy ny diabeta, tosidra ary ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ho an’ny vehivavy. Nandray fizahana maso sy nizara solomaso mifanaraka amin’ny toe-pahasalamana ny mpitsabo manokana. Afaka nanao fitarafana ireo mila izany. Rehefa misy tolotra toy izao, misy ny fanaovana vaksiny ka ny miaro amin’ny Mpox no natao. Nahazo ny anjara fanaovana vaksiny koa ny saka sy alika tao Mahamasina. Nizara torohevitra sy fanentanana ara-pahasalamana koa ny mpiasan’ny fahasalamana nandritra ny tontolo andro.
“Andao hiray hina ho an’ny fahasalamana sy hanohana ny siansa” ny lohahevitra nosafidiana ho an’ity taona ity. Zava-dehibe mifampiankina ny fahasalaman’ny olombelona sy ny biby ary ny tontolo iainana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Vonjy




