INDRAY MIJERY

Tombanana ho mafy ny Tsioka Atsimo any amin’ny morontsirak’i Atsimo Andrefana. Tombanana hahery, araka izany, ny ranomasina any amin’ny morontsirak’i Atsimo Andrefana sy Androy ary Anosy noho ny alondrano antonony avy atsimo andrefana manomboka anio ary hitohy rahampitso. Nahazo fampitandremana miloko mavo ireo faritra voalaza ireo.

Nanatanteraka fitsidihana ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny solontena maharitry ny OIF, i Traian Laurentiu Hristea, omaly, teny Ampefiloha. Nandritra ny fihaonana no nanamafy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ny roa tonta. Anisan’ireo tetikasa iarahan’ny minisitera ny OIF ny D’CLIC izay natao hanomezana fiofanana tanora hatrany amin’ny 1000 eo amin’ny sehatry ny niomerika.

Fanampiana 181t no hamonjena ny mponina any Atsimo amin’ny hetsika “Vonje longo”. Handehanana voalohany ny faritra telo efa ahitana ny fahasarotana ara-tsakafo, kaominina 32 ao Atsimo Andrefana, Anôsy ary Androy. Efa nanainga ny fiarabe nitondra ny sakafo ary hiara-hanomboka ny fizarana. Ho vitaina ao anatin’ny fotoana fohy ny fizarana ny fanampiana izay aterina mivantana amin’ireo tena mila izany, ahafahan’izy ireo miaina.

Partager sur: