Ho fanatsarana hatrany ny tolotra eny amin’ireo toeram-pivarotam-panafody na ny dépôt de médicament, nomena fiofanana, izay iarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoka, ireo mpitantana. «Manodidina ny 1 400 ireo toeram-pivarotam-panafody manerana ny Nosy, mamaly ny filan’ireo mpanjifa, indrindra any ambanivohitra sy amin’ireo toerana tsy ahitana farmasia», araka ny fanazavan’ny filohan’ny vondrona mpivaro-panafody matihanina, Razafimanantsoa Nandrianina. Rafitra miaina ny vondron’ny fivarotam-panfody matihanina ary mivoatra manaraka ny zava-misy ny tolotra sy ny karazam-panafody ka tokony haharaka sy hahafehy izany ireo mpivarotra sy mpitantana ireny toerana ireny. Ilaina ny fahafantarana ny karazan’aretina vaovao miseho sy ny tokony hatao manoloana izany ka anisan’ny tokony tsy ho diso anjara amin’ny fahafantarana izany ireo toeram-pivarotam-panafody. Anisan’izany ny aretina vaovao Mpox izay tokony ho voafehin’ny mpivaro-panafody ny toromarika tokony homena ireo marary tonga mividy fanafody ao aminy. Efa fanao ny famondronana ireo mpivarotra fanafody ireo hanamafisana ny fahaiza-manaony sy hanaovana ny angon-kevitra hifampizarana ny zava-misy eny an-tsehatra. Hotanterahina ny 23 sy 24 avrily izao, eto Antananarivo ihany koa, ny fihaonambe nasionalin’ny dépôt de médicament rehetra manerana ny Nosy, izay ahin’ny Filohan’ny fanavaozana ny Repoblika.
Tatiana A




