INDRAY MIJERY

Mandray anjara amin’ny Tsapiky festival ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony, amin’ny alalan’ny oniversiten’i Toliara. Hisy «Conférences scientifiques” hanehoana ny voka-pikarohana momba ny Tsapiky sy ny maha harembakoka iraisam-pirenena tsy azo tsapain-tanana azy. Hiarahana amin’ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Toliara izany. Hanao diabe ara-kolontsaina koa ireo mpianatry ny Oniversiten’i Toliara ao anatin’ny hetsika manandratra ny kolontsaina malagasy hotanterahina any an-toerana, ny 17 sy 18 avrily ho avy izao.
Hitohy hatramin’ny 20 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana biometrika eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo. Efa misy ny tetiandro ho an’ny fakiolte sy ny sekoly ambony tsirairay, araka ny fampahafantarana natao. Ankoatra ny mpianatra, entanina koa ny mpampianatra sy ny mpandraharaha hiroso amin’izany, eny amin’ny BU.
Nihaona ny solontenan’ny mpianatra sy ny mpitantana ny oniversiten’i Mahajanga, natrehin’ny Prefet an’i Mahajanga, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny Kakal Mahajanga Be.
Nanatrika ny fotoana ireo mpitantana ny CEUM, ireo filohan’ny fikambanana misy ao amin’ny campus ary ny filohan’ny oniversiten’i Mahajanga. Malalaka tanteraka ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampihainoana teo amin’ny telo tonta hisian’ny filaminana maharitra.

Partager sur: