Nahavita fiofanana ireo mpanabe olon-tsahala (JPEU) eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Mpianatra 140 no niofana nandritra ny hateloana momba ny ady amin’ny fanilikilihana mifandraika amin’ny VIH/Sida eny amin’ny tontolon’ny oniversite. Hanentana sy hanao fitiliana ny tsimokaretina izy ireo ka hanomboka amin’ny fanentanana ny mpianatra eny amin’ny lalam-piofanana samihafa ny asa. Nanohana ny fanofanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Fandaharanasa nasionaly miady amin’ny VIH, ny UNFPA ary ny Formation professionalisante en travail social et développement.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana ao amin’ny “Annexe Université d’Antananarivo-Région Bongolava” (AUARB) ao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava, tamin’ity herinandro ity. Nambaran’ny minisitra mpiahy fa hampidirina ao anatin’ny tetibola asiam-panitsiana (LFR) ny fanamafisana ny fotodrafitrasa sy ny fanomezana “Postes budgétaires” ho fampandehanana izany. Nanamafy koa ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo fa tsy ho latsa-danja amin’ny kalitaon’ny fampianarana ao amin’ny oniversiten’Antananarivo ny ao amin’ny AUARB.
Manohy ny fanesorana ireo kioska tsy ara-dalàna, amin’ny fomba ara-drariny sy manaja ny dingana rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mety hampidi-doza ho an’ny rehetra sady manimba ny endriky ny tanàna ny fanorenana tsy manara-dalàna. Anisan’izany ireo kioska tsy nahazo alàlana izay mitombo isa eto Antananarivo Renivohitra. Mibahana ny lalan’ny mpandeha an- tongotra na miorina eny ambony lakandrano sy tatatra.




