Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny kongresy faha-31 ny Federasionin’ny farmasianina eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Nampitondraina ny lohahevitra “fahasalamana sy sakafo: fanamby ara-panafody, fanavaozana ary fijery vaovao ho an’ny fahasalamam-bahoaka”, izany. Nanasongadin’ny minisitra nandritra ny lahateniny ny anjara toerana lehibe raisin’ny farmasianina eo amin’ny fisorohana ny aretina, ny fanabeazana ara-pahasalamana ary ny fanohanana ny marary. Nahitana tranoheva maro momba ny farmasia miasa eto Madagasikara teny an-toerana. « Nandray anjara ny Sopharmad, matihanina amin’ny fanafarana fanafody tsara kalitao izay mahasitrana sy miantoka ary tsy misy vokany ratsy ho an’ny toe-pahasamalan’ny marary», hoy Rabemanantsoa Andry, farmasianina. Nambarany fa tokony ho eny amin’ny farmasia sy any amin’ny dépôt de médicament ny olona no hividy fanafody mba tsy hahatonga aretina hafa indray. Ankoatra izay, nandray anjara teny koa ny avy amin’ny IMRA, izay misahana ny fikarohana sy famokarana fanafody vita amin’ny zavamaniry eto Madagasikara. « Efa manomboka mamokatra fanafody entina miady amin’ny diabeta izahay amin’izao satria sarotra kokoa ny mitsabo io aretina io taorian’ny fisian’ny valanaretina maro nandalo teto amin’ny Nosy », hoy Rahajamanana Sarobidy, tomponandraikitra eo anivon’ny IMRA. Misy koa ny fiofanana mahakasika ny fitsaboana ny ativava ataon’izy ireo. Marihina fa tonga nanokatra ny fotoana ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Managna Monira.
Mino




