Erick Manana sy Feo Gasy:  Nampiavaka ny seho ireo mpihiragasy

Rasoalalao Kavia. Ana­rana tropy efa fanta-daza amin’ny hiragasy, izay mbola hitombo laza manomboka eto. Izy ireo no tena nampiaina sy nampiavaka ny fampisehoan’i Erick Manana sy Jenny ary ny tarika Feo Gasy, nandritra ny fampisehoana tetsy Maha­masina, omaly. Ilay doboka amponga sy jijin-dokanga toa ireny eny an-kianja ireny mihitsy no nentina niakatra ny Lapan’ny fanatanjahantena, ka nanaingo ny fampisehoana. Nanaraka taorian’ izay ny « Zakeliny Mama », nampitsangana ny iray lapa !
Fa tsy izay ihany akory ny fotoana nafana. Teo koa ny « Mananjary », niakaran’ i Rado an-tsehatra voalohany niaraka tamin’ny tarika Feo Gasy, izay tena nampihetsi-po ny rehetra. Toy ny mbola eo i Fafah, amin’ny alalan’ity zanany izay nanaraka ny lalany. Niaraha-niredona avokoa ry « Fa tsarotsaroako », « Fiha­vanana Malagasy », sns.
Ankoatra an’i Rado, nankasitrahan’ny iray lapa ihany koa ny talentan’i Jenny. Voafehiny ny mozika malagasy, na amin’ny lokanga, sodina, valiha na hira. Ao anatiny mihitsy, hany ka mendrika azy ny nanolorana ny mariboninahitry ny kanto azy nandritra ny seho. Nanaovana poa-tsatroka ihany koa ireo mpikambana rehetra, na dia tsy nankasitrahan’ny mpijery firy aza ny nanapahana ny fampisehoana.
Ora 4, hira 40 teo ho eo, fa ampy nifampizarana ny kanto. Ny hiragasy niaka-dapa, efa nisy ihany, fa nisy fihetsika iray tsy mbola nataon’i Erick Manana nandritra ny 49 taona niakarany an-tsehatra tao : nitsangana nandihy nanao latsi-tanana izy namarana ny « Fofompofony ihany », ary nosarihiny koa i Jenny, sady nidina ny sehatra. Toa nanome fotoana sahady ny amin’ny fanamarihana ny faha-50 taona an-tsehatra…

Zo ny Aina

Partager sur: