Niry-Solosoa : Hamoaka ny « Dia… »

Iray amin’ireo andrin’ny haisoratra malagasy Rasolo­ma­henina Manirisoa, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Niry-Solosoa. Hamoaka ny amboaran-tononkalony voalohany, mitondra ny lohateny hoe “Dia…” izy, ny 24 oktobra izao. Hotanterahina eny amin’ ny Cité de la culture Antani­narenina izany, miaraka amin’ ny “édition Teny”. Efa ela no nanoratra tononkalo i Niry Solosoa ary ho hita ao anatin’ ity boky ity avokoa ireo asasorany rehetra, izay ahitana pejy 176.
Ankoatra ny fanoratana tononkalo, poeta sy mpanoratra sombintantara ary mpanao gazety tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM) i Niry-Solosoa. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny famoahana ny boky iraisan’ny mpanoratra maromaro « Angaroa » izy, tamin’ny taona 1988. Anisan’­ ireo mpanorina ny Faribolana Sandratra ihany koa izy, niaraka tamin’i Elie Rajaonarison sy ireo namany. Efa maro ny sanganasany ary amboara iombonana miaraka amin’ny Faribolana Sandratra avokoa ny ankamaroany, toy ny “Ton­tolo isainana”, “Sandra-kalo”, “Sandratr’Antsa”, sy ny maro hafa.
Hisy ny fampahafantarana lehibe atao amin’ity sanganasany ity, ny 11 novambra izao, ka hanome voninahitra an’i Niry-Solosoa ny Faribolana Sandratra, ao amin’ny Tra­nom­bokim-pirenena.

Mi.Raz

Partager sur: