Tanora Masina Itaosy – 35 taona : Hatao eo Imahamasina ny ivon’ny fankalazana

Angamba ny Tanora Masina Itaosy no antoko mpihira nahavita seho maro indrindra tao anatin’ny 35 taona nisiany. Mbola mitohy izany ary ho goavana indrindra ny ivony.

Ny 8 desambra 1991 no teraka ny antoko mpi­hira Tanora Masina Itaosy. Araka izany, anatin’ny fankalazana ny faha-35 taona nisiany izy ireo, amin’ity taona ity. Nampahafantarina, omaly, fa haka endrika seho goavambe ankalamanjana ny ivon’ny fan­ka­lazana. Hatao eo Ima­hamasina, hanatrika ny « tribune centrale » ny hetsika, ny alahady 25 oktobra ho avy izao. « Hanomboka amin’ny 11 ora sy sasany ny seho, satria ho avy hifanotrona aminay ao ireo mpanakanto manao hira ara-pilazantsara efa niara-niasa taminay. Ani­san’­ireny ry Mialy Rakotoma­monjy, Ny Mpitory, Antsa an’i Kristy, Ny Hasimpiderana, Rojo Ny Avo, Vetsonkira, Jaja, sns. Ny fa­namiana iraisana dia hanao kasikety daholo isika», hoy ny fanazavan’ny mpitarika ny TMI, omaly.
43 isa ny hira hataon’ny TMI mandritra ny seho. Tsy misy fotoana banga mihitsy ny fiderana manomboka amin’ny 11 ora sy sasany hatrany amin’­ny 6 ora sy fahefany any.
« 17 000 no isan’ny olona kasaina hangonina amin’io, izany hoe, avo telo heny noho ny Palais des sports efa fanao. Fitoriana filazantsara no tena hatao. Raha ny sitrakay dia natao maimaimpoana ity he­tsika ity, saingy noho ny fanda­niana dia tsy maintsy nasiana sarany kely. Raha toa ka misy tombony azo, dia hatokana ho an’ny tsangambaton’ny faha-35 taona, toy ny rakikira, ny toerana fipetrahanay ao am-piangonana, sns », hoy ha­trany ny fanazavana.
Tsiahivina fa antoko mpi­hira avy ao amin’ny fiango­nana Loterana Ambohimasina Ita­osy ny TMI. Anarana nomen’ i Nenilava na i Volahavana Germaine, izay raiamandreny nanangana ny Toby lehibe Ankaramalaza, ny hoe Tanora Masina Itaosy. Maro ny lalana efa nodiavina. Faritra vitsivitsy toa an’Antsiranana sy Fort Dau­phin izao sisa no tsy mbola notsidihin’ny Tanora Masina Itaosy. Saika misy seho handraisana anjara ha­trany izy ireo isaky ny alahady, an­koatra ny seho goavana efa fanao. Efa nahavita rakikira 10 ny TMI tao anatin’izay 35 taona izay. Eo am-panomanana ny faha-11, izay ho tsangambaton’ny faha-35 taona, kosa izy ireo izao.

Zo ny Aina

Partager sur: