Nanatanteraka fidinana ifotony, tany amin’ny faritra Anosy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin-dRakotoniaina Voahanginirina Cathia. Nisy ny fijerena akaiky ny toe-piainan’ny mponina. Nampanantena ny ho fanatsarana izany izy nandritra ny lahateny izay nataony ny faran’ny herinandro lasa teo.
Fianakaviana marefo maherin’ny 4 500 tao amin’ny kaominina Ankariera, Ranopiso, Amboasary ary Manambaro ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro sy distrikan’Amboasary, faritra Anosy no nizarana vatsy ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nahitana vary, menaka siramamy, savony ary ronono izany.
Nizarana milina fanjairana ny vehivavy hahafahany manatsara ny velon-tenany sy hahaleo tena ara-pivelomana amin’ny karama zaitra izay hataony. Ankoatra izany ny kojakoja hahafahana manao varotra madinika ho an’ireo vehivavy ao anaty fikambanana. Hofanina manokana izy ireo hanatsarany ny sehatry ny fihariana.
Mizaka ny fiovaovan’ny toetry ny andro ny mponina any an-toerana. Misy fiatraikany ratsy amin’ny famokarana izany.
Tatiana A




