Hanao dingana eo amin’ny famokarana simenitra ny orinasa Alpha Ciment eto Madagasikara raha toa ka niankin-doha tamin’ny fanafarana nandritra ny fotoana maro. Ankehitriny, mametraka vina hamokatra simenitra hatrany amin’ny 1 200 000 taonina (t) isan-taona ny orinasa.
Mitombo hatrany ny filan’ny tsena eto amintsika izay tombanana manodidina ny 1,5 tapitrisa t ny taona 2025. Mbola hafarana avokoa ny 85% ny filana ka mampiova ny vidim-bokatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mazàna, vidiana maherin’ny 30 000Ar ny gonina simenitra izay heverina ho lafo ho an’ny ankamaroan’ny mpanjifa. Antony nahatonga ny orinasa nametraka fanamby hampakarana ny famokarana eto amintsika. Mamokatra simenitra 150 000 t isan-taona ny ozinina ao Ibity Antsirabe. Misy ny ratsa-mangaika eny Tanjombato sy any Toamasina. Mahatratra 550 000 t isan-taona ny vokatra azo amin’izao fotoana. “Eo am-panomanana ny fananganana ny ozinina izay hamokatra 1,2 tapitrisa t ny ozinina ao Ibity. Tanjona ny hampitombo valo avo heny ny famokarana amin’izao fotoana”, hoy ny tale jeneralin’ny orinasa, Vincent Blanchet. Tanjona hoy izy ny hampitombo ny vokatra eto an-toerana sy hampihena ny fiankian-doha amin’ny fanafarana avy any ivelany.
Tsena anatiny
“Natao ho an’ny tsena anatiny ny tetikasa. Tanjona ny hahazoana vokatra 100% avy amin’ny akora eto an-toerana na izany mbola miankina amin’ny fahazoan-dalana avy amin’ny fanjakana ny fandaharam-potoana”, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Manodidina ny enina ka hatramin’ny 10 volana ny fisitrahana ny fahazoan-dalana, mialoha ny hanombohan’ny tetikasam-panorenana, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasa. Araka izany, andrasana ho vita sy hiasa afaka roa taona sy tapany hatramin’ny telo taona ny ozinina.
Ankilany, mikasa ny hampidina ny vidim-bokatra ny Alpha Ciment ho an’ny tombontsoan’ny mpanjifa sy hampitomboana ny fanorenana. Marihina fa dingana lehibe ho an’ny toekarena ny fampitomboana ny famokarana toy izao. Heverin’ireo mpamokatra fa handrakotra ny 70% ny tsena ny fampakarana ny famokarany.
Henintsoa




