Namoaka naoty momba ny fizarana ny didy fanendrena sy fifanarahana arakasa ho an’ireo nahavita fiofanana ENS ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Voafantina araka ny naoty laharana – 2026/124-Men/SG tamin’ny 12 febroary 2026 izy ireo.
Ireo manana ny Capen dia hatao ny zoma 17 avrily izao ho an’ny ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ny fizarana ny fifanarahana arakasa ho an’ireo manana ny Lapen sy Mapen izay voafantina ao antin’io naoty io ihany dia atao ny talata 21 aprily ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Anosy.
Manatona ny Dren izay nahavotendry azy manomboka ny 27 avrily kosa ireo tsy nahazo taratasy. Afaka manatona ny tompon’andraikitra misahana ny maha olona ao Mahamasina ihany koa anefa hahafahana manaraka ny fizotran’ny antontan-taratasy. Mitondra ny karapanondrom-pirenena ireo izay voakasiky ny naoty fanendrena rehetra hanaovana ny fanamarinana.
Miandry ny anjara fanendrena ihany koa ireo nianatra tamin’ny Crinfp sy ENF.
Tatiana A




