Prix Castel 2026 : Fifaninanana famoronana tetikasa tia manavao

Ampirisihina ny mpandraharaha malagasy hamorona tetikasa mitondra zava-baovao. Anisan’ny sehatra ifantohana ny fambolena, ny angovo, ny toekarena mihodina, ny tontolo iainana, sns.

Nisokatra nanomboka ny 1 avrily teo hatramin’ny 30 mey ho avy izao, ny fifaninanana Prix Pierre Castel ho an’ny andiany 2026. Miara-mikarakara azy ny orinasa Star sy ny fikambanana Fondation de Dotation Pierre Castel. Natao ho an’ny mpandraharaha malagasy tanora 18 hatramin’ny 45 taona ma­nana tetikasa matanjaka, tia manavao sy mamorona, ahazoam-bokatra miavaka ny fifaninanana. Miantraika amin’ny fambolena sy fanodinana sakafo, angovo azo havaozina, teknolojia vaovao, toekarena mihodina ary fandraharahana misy fiantraikany ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana. Natao ho an’ny mpandraharaha na orinasa efa mijoro ara-dalàna, nisy nandritra ny 2 taona farafahakeliny. Atao manerana ny firenena afrikana fito (Alzeria, Benin, Burkina Fasso, Cameroun, Côte d’Ivoi­re, Madagasikara ary Repoblika Demokratika Con­go) ny fifaninanana. Amin’ny alalan’ny internet, ny adiresy http://candidature-prix-pierre-castel.org/ irery ihany ny fisoratana anarana handray anjara.

Tohana ara-bola sy fiofanana
Hahazo tohana ara-bola sy fanampiana stratejika ireo mpandresy. Vola 25 000 eu­ros ho an’ny eto Mada­gasikara ary 35 000 euros ho an’ny eo anivon’ny samy firenena afrikana. Ankoatra ny fanofanana, hisy ny fampifandraisana anaty tambajotran’ny mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka, hampahafantarana ny orianasa sady ahafahany manitatra ny am­baindahiny.
Tanjon’ny Vondrona Castel mikarakara ity fifaninanana ity ny hanomezan-danja ny famokarana eo an-toerana isaky ny firenena voakasika, hanatsarana ny rafitra ara-tsakafo, misy akony ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana, azo refesina. Tafiditra ao anatin’ny Fandraisana andraikitra ara-piarahamonina (RSE) ataon’ny Star.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: