Solika : Tonga ao Toamasina ny sambo

Nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly 13 avrily, ny sambo Advantage Passion, nitondra solika milanja 61 252 TM* (76 264 m3). Lasantsy SP95 milanja 13 331 TM (17 913 m3) no nentiny, gazoala GO, 45 845 TM (55 716 m3) ary solitany fandrehitra PL, 2 076 TM (2 634 m3). Araka ny fanavazana avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), sambo voalohany ity tonga ity, fa hisy fanindroany indray ho avy amin’ny 5 mey ho avy izao, hitondra solika mitotaly 64 500 m3, ka lasantsy SP95 ny 22 000 m3. Ary ho tonga amin’ny 31 mey ny sambo fahatelo, hitondra solika, ka lasantsy SP95 ny 19 000 m3. Midika ireo fa mirindra tsara ny famatsiana solika eto Madagasikara, ka tsy misy antony tokony hanangonana mihoa-pampana sady vokatra saro-pady mampidi-doza rahateo ny solika.
Manoloana ireo, tsy nihetsika ny vidin-tsolika tamin’ity volana avrily 2026, na eo aza ny tokony hanitsiana azy, mifanaraka amin’ny tena vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nanamarika ao amin’ny minisitera MEH, fa nahantona aloha ny fanovana ny vidin-tsolika, fa mila atrehina aloha ny lafinyy famatsiana, mba hampitony ny mpanjifa.
* :1TM (Taonina Metrika)= 1,34 m3

Njaka A.

Partager sur: