Africa Summit Education 2026 : Namiratra ny Malagasy mpampianatra

Andiany fahefatra ny Africa Summit Education 2026 natao tany Accra, any Ghana, ny 19 hatramin’ny 21 martsa teo. Nisongadina ny Malagasy mpampianatra tamin’izany. Noraisin’ny minisitra telo tonta ireto Malagasy mpampianatra nanandratra avo ny hasin’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ireto, ny alatsinainy teo. Anisan’ izany ny Pr Rejo-Fienena Félicitée, Rasoanantenaina Mamisoa ary ny Pr Rakoto­nirainy Hasina.
Izy ireo dia tafiditra ho isan’ireo olona 100 voafantina mendrika indrindra amin’ny sehatry ny fanabeazana aty Afrika tamin’ireo mpandray anjara 1000 avy amin’ny firenena 53. Lohahevitra nirai­sana tamin’izany ny hoe: “Fampandrosoana ny fampidirana ny EdTech ao amin’ny fanabeazana Afrikanina : tondrozotra iraisana ho amin’ny asa”.
Tanjona ny fampiroboroboana ny sehatry ny teknolojia nomerika hanova ny fampianarana ary manala ny elanelana any ambanivohitra sy an-dRenivohitra.
I Madagasikara no handray ny “Africa Summit Edu­cation” andiany faha-5 amin’ny taona 2027.
Ny minisitry ny Fanabea­zam-pirenena sy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary ny minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa no nankasitraka azy telo mianadahy.

Tatiana A

Partager sur: