Ambohitrabiby : Lehilahy hita faty nihantona

Tovolahy iray hita faty nihantona tamin’ny tady tao amin’ny fokontany Ambodifahitra, kaominina Ambohitrabiby, distrikan’Avaradarano, omaly. Nifatotra tady teo amin’ny tendany io lehilahy io ary nikirazorazo avy eny ambony hazo. Nahitan’ny zandarimaria nanao fanadihadiana harona plastika niampy taratasy tsy lavitry ny razana. Nisy ny laharana finday an’ny fianakavian’ny maty sy hafatra nisoratra tamin’io taratasy io. Nantsoin’ny tomponandraikitra ny laharana ka voamarina fa avy any Ambohimangakely ilay lehilahy. Ahina ho namono tena izy ka nitarika amin’izao fahamoizany aina izao. Nandositra ity lehilahy ity rehefa tratra nangalatra teny Ambohimangakely, araka ny fanazavan’ny zandary miasa ao an-toerana. Voasaringotra tamin’ny vaky trano tao amin’ny Lisea Ambohimangakely izy, izay tsy olon-kafa fa zanaky ny mpiambina ao amin’io toeram-pianarana io. Nandositra izy ary izao hita faty nananton-tena izao.

Tsiferana R.

Partager sur: