Nampivondrona ireo mpisehatra momba ny angovo azo havaozina sy ny tanora ny « Forum des énergies solaires ». Hetsika natao tetsy amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny 10 sy 11 avrily, lasa teo. Avy amin’ny solika avokoa ny 60% ny famokarana angovo eto amintsika raha manomboka mivoatra tsikelikely kosa ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Ankilany, loharanon’angovo ho an’i Madagasikara ny masoandro satria mahatratra 3 000 ora isan-taona ny tara-masoandro azontsika. Antony mahatonga ny fanjakana mikendry ny hampiroborobo hatramin’ny 85% ny “mix énergétique”, ny taona 2030, ka azo avy amin’ny masoandro ny 5%. Ho tetezana manampy amin’izany ny “Forum des énergies solaires” nokarakarain’ny FabLab EnR-out. Nilaza i Cadeau Adjamie, filoha mpanorina ny FabLab EnR-out, fa “tanjona ny hanehoana fa manana ny fahaiza-manao, mamaly ny filàna eto amintsika ny tanora. Kendrena ny hametraka tetezana mampitohy ny fiofanana sy ny asa ary ny tsenan’ny angovo ho an’ny tanora ».
Tohana
Mahatratra 60 ny tanora nandray anjara, nandritra ny roa andro, ka vehivavy ny 30%, sady nahazo tohana fiofanana. Nisy ny famelabelaran-kevitra, “job dating” ary fampirantiana ny vokatra vitan’ireo tanora mpiofana. Fanamby ny hampiroboroboana ny angovo azo avy amin’ny masoandro, ny vahaolana amin’ny famatsiam-bola, ny fandrindrana ny tsena ary fanohanana ny fahaiza-manao eto an-toerana.
Henintsoa




