Hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ireo firenana mpikambana eo anivon’ny OEACP (firenena Afrikana, karaiba ary Pasifika). Eo koa ny fametrahana fampandrosoana maharitra sy iombonana. Ireo no tanjona ao anatin’ny fifanarahana Samoa. Natomboka omaly ny dinika fiaraha-miasa voalohany nataon’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina (UE) izay haharitra hatramin’ny taona 2044. Tanjona ny hametraka paikady hahazoana fitoniana ara-toekarena ho tombontsoan’ny vahoaka. Nivoitra tao anatin’ny dinika fa mifanaraka amin’ny Fandaharanasan’ ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ny tanjona mandrafitra ny fifanarahana. Ary mpiara-miombon’antoka lehibe amin’ny famatsiam-bola eto Madagasikara ny UE. Misy ao anatin’izany ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola. Tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana ny lafiny lalàna. Ny fanekena ny lalàna momba ny fampiasam-bola, ny fametrahana ny masoivoho manokana misahana ny fampiasam-bola, ny rafitra samihafa ho an’ny dinika eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, iarahana amin’ny Clim Invest.
Henintsoa




