May nodoran’ny mponina ny biraon’ny polisy ao Vohemar, omaly. Nitaky ny hamoahana lehilahy tompon’antoka tamin’ny vono olona niseho tany amin’ny fokontany Manambery, kaominina Ampondra, afakomaly alina izy ireo. Nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka io olona io izy ireo fa tsy namoaka izany ny polisy. Mba ho fisorohana ny fitsaram-bahoaka, nafindra toerana ny voarohirohy mba hanatanterahana ny fanadihadiana azy. Tezitra noho izany ireo mponina ka nandoro ny biraon’ny polisy.
Raha tsiahivina, nitrangana vono olona tany amin’ny kaominina Ampondra, fokontany Manambery, ny alin’ny 13 avrily 2026 lasa teo. Raim-pianakaviana iray, mpanao taxi moto no niharan’ny vono tamin’ny fomba feno habibiana, ny harivan’io. Nanasa moto tany Manambery izy rehefa avy niasa hariva. Novonoin’ny olon-dratsy izy ary namoy ny ainy, lasan’ireo tsy mataho-tody ny moto. Nanao ny fikarohana ireo nahavanon-doza ny polisy miasa ao amin’ny CSP Vohémar taorian’ny tranga. Voasambotra sy notazomina tao amin’ny biraon’ny polisy ny lehilahy iray tompon’antoka tamin’ny asa ratsy, fotoana fohy taty aoriana. Nitaky ny hamoahana sy nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka azy io anefa ny mponina saingy nafindra toeran-kafa ny voarohihory. Mitaona ny rehetra mba ho tony ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny Polisim-pirenena, manoloana iny tranga niseho iny.
Mino




