Anosibe : Mpanendaka iray maty voatifitry ny polisy

Mpanendaka iray lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Unité d’Interven­tion Rapide (UIR) sy ny Compagnie Urbaine d’intervention (CUI) tetsy Anosibe, ny harivan’ny 14 avrily lasa teo. Mpanao sinto-mahery miisa telo hafa azo sambo-belona. Nikasa hanendaka ramatoa iray teny Anosibe sy ny manodidina ny bandy telo lahy ny harivan’io andro io, tokony tamin’ny 06 ora sy sasany. Nahatsikaritra izany ny polisy niasa teny an-toerana ka niditra an-tsehatra nisambotra azy ireo. Vokany, azo sambo-belona izy telo lahy ary noentina nohadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy. Ankoatra izay, lehilahy iray hafa, avy nanendaka mpandeha taxi-be hizotra ho any Anosy nifanenjehan’ny polisy. Nampiasa antsy lava lela teny aminy izy, rehefa nikasa hisambotra azy ireo mpitandro filaminana. Niaro tena, araka izany, ny polisy ka voatery nitifitra azy. Vokany, tsy tana ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. Fantatra nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa efa jiolahy mpamerin-keloka ity lavo voatifitra ity. Efa nahazaon’ny polisim-pirenena fitarainana maro noho ny resaka fanendahana eny amin’ny faritra Anosibe sy ny manodidina iny ihany koa ny tenany fony fahavelony. Efa niparitaka tamin’ny tambajotra an-tserasera rahateo koa ny sariny talohan’izao nahalavo azy izao.
Manentana ny olom-pirenena hifanome tanana sy hanome loharanom-baovao ara-potoana hatrany ny polisim-pirenena. Mba hahafahana mamongotra ny mpanao ratsy izay mampikaikaiky ny vahoaka. Tsiahivina, fa nisesisesy ny fahatrararana jiolahy sy mpanendaka tato ho ato.

Mino

Partager sur: