Toekarena mihodina: Fitantanana ny fako plastika

Nampahafantarina, ny 14 avrily teo, ny tetikasa Fitanta­nana ny plastika aty amin’ny Ranomasimbe indiana (ExPLOI). Mitentina 50 000 euros ny vola avy amin’ny Antokon-draha­raha Frantsay ho an’ny Fampandrosoana (AFD) sy ny Tahi­rim­bola Frantsay ho an’ny Tontolo iainana maneran-tany (FFEM). Tetikasa miisa 12, mifantoka amin’ny Toekarena mihodina, mikasika ny fitantanana, ny fanodinana, ny fako platsika no misitraka ny tohana omen’ny ExPLOI. Ao anatin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo, amin’ny seha-pihariana ataony, hanatsarana ny vokatra azo tsapain-tanana.
Nilaza ny talen’ny Fitantanana ny fandotoana ny rivotra, ny fako ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (DGPDE), Rakotomanana Rila Albani, fa tombontsoa ho azo amin’ity tetikasa ity ny fanomezana asa ny olona marefo sy sahirana. Miparitaka manerana an’i Madagasikara ireo tetikasa 12 voafantina ireo.
Anisan’ny hifantohan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (MEDD), ny hanitsiana ny didim-panjakana tamin’ny taona 2017, mikasika ny akora plastika. Nisy ny famoahana didy navoakan’ny prefektioran’i Sainte Marie, atao andrana, ka hitarina any Nosy Be sy ny toetran-kafa rehefa hita fa ma­homby.

Njaka A.

Partager sur: