TSELATRA

Lehilahy iray hita faty tetsy amin’ny zaridaina Ankorondrano, ampitan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy, omaly maraina. Efa simba tanteraka ny razana. Nampiakarin’ny fokonolona avy ao anatin’ny tatatra ny nofo mangatsikan’io olona io.
Mpamaky trano miisa telo lahy voasambotry ny zandarimaria tao Tsiroanomandidy, omaly. Nandroba lelavola 30 tapitrisa Ar ireo olon-dratsy ireo. Natao fikarohana ka izao sarona niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana sy ody ratsy izao.
Taksibrosy avy any Fenoarivo Atsinanana nikasa hihazo an’Antananarivo tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, afakomaly alina. Nivadika io fiara io ka nisy ireo mpandeha naratra.
Nosamborin‘ny mpitandro filaminana tetsy Tsiadana ny mpanampy iray nangalatra volan‘ny mpampiasa azy, omaly. Nanampy ny anabaviny tamin‘ny fitsaboana ny reniny ilay lehilahy ka najanona niambina trano io mpanampy io. Nalain’ilay mpanampy moramora tao an-trano anefa ny vola 100 euro. Natakalony vola Ariary ka nomeny ny vadiny. Nalainy indray ny vola 800 euro kanjo niverina tampoka ny tompon-trano. Nitory avy hatrany nanoloana ny fahaverezam-bola ilay mpampiasa ka voasambotra niaraka tamin‘ny vola halatra ity mpanampy ity.

Partager sur: