Sakoroka teo Behoririka: Nitokona ny mpivarotra, mpanao gazety roa naratra

Nitokona ny mpivarotra teo Behoririka, omaly. Mitsipaka ny fandaminana izy ireo. Nisy mpanao gazety mianadahy, niharan’ny herisetra nandritra ny hetsika.

Niharan’ny herisetra na­taon’ireo mpivarotra nanao fitokonana teny Behoririka, naratra ny mpanao gazety mianadahy, omaly maraina. Nanatanteraka ny asany teny an-kianja amin’ny maha mpanangom-baovao azy ireo mpiasa amina haino vaky jery ireo. Nanoloana ny savorovoro noho ny hatezeran’ireo mpitokona, niharan’ny herisetra ireo mpanao gazety ireo. Noroasin’ireo mpitokona izy ireo ary nisy nikasi-tanana. Manameloka tanteraka io fihetsika nataona andian’olona nanoloana ny mpanao gazety manao ny asany io ny Komity vonjimaika mitantana ny holafitry ny mpanao gazety (CTOJM). Miantso ny tomponan-draikitra mahefa hijery ifotony io tranga io izy ireo satria fanitsakitsahana ny zo fototry ny mpanao gazety io niseho teny Behoririka, omaly io. Marihina, nanohitra ny fametrahana lamina vaovao avy amin’ny tomponandraikitry ny kaominina ireo mpivarotra amoron-dalana, araka ny fanazavana voaray teny an-toerana. Nakisak’izy ireo teny afovoan’arabe ny daba fanariam-pako ary nitsoka kiririoka sy naneho ny tsy fahafaliany ireo mpivarotra amoron-dalana ireo. “Nalain’ireo mpiasan’ny kaominina sasantsasany ny entanay”, hoy ireo mpivarotra.

Nandamina ny PDS
Nidina ifotony nifampiresaka mivantana tamin’ireo mpitokona ireo ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, PDS Fenoherin­tsoa Ralambomanana. “Tsy maintsy hisy ny fandaminana apetraka”, hoy io filohan’ny delegasionina manokana misahana ny tanàna an’Antananarivo io. Na izany aza, nambarany fa hiaraha-mahalala ny fahasahiranana iainan’ny ankamaroan’ny Malagasy ary voakasika amin’ireo ireo mpivarotra amoron-dalana. Niniana natao iny fitokonana iny, hoy ny lehiben’ny tsena ao Behoririka. Hatramin’ny 7 ora maraina no afaka mivarotra ireo mpivarotra lamba zaitra an-tsena saingy nisy mbola nanohy hatramin’ny 8 ora maraina. Antony nangalan’ny mpiasan’ny kaominina ny entan’izy ireo. Tsiahivina hatrany anefa fa natao ho an’ny fifamoivoizana ho an’ireo fitaovam-pitanterana ny arabe ary ho an’ny mpandeha an-tongotra ny lalana voatokana ho amin’izany. Anaty tranombarotra na faritra efa voatokana kosa ireo mpivarotra.

Tsiferana R.

Partager sur: