Tranombarotra iray voatafika : Lasan’ireo jiolahy ny vola 150 tapitrisa Ariary

Notafihin’ny jiolahy indray ny trano fivarotana piesy sy kojakojana bisikileta iray tany Mangarivotra Avaratra, parcelle 11/11, Toamasina I, omaly maraina tokony tamin’ny 6 ora sy sasany. Jiolahy miisa telo, mirongo basy no niditra an-keriny tao an-tsena.
Nandeha moto ary tsy nisy nisaron-tava izy ireo tamin’ny fotoana nanaovan’izy ireo ny asa ratsy. Teo am-pamoahana varavarana hivarotra maraina ny tompon-tsena no tonga izy ireo. Nandrahona ny olona tao anatiny tamin’ny basy sy nitaky ny vola rehetra izy ireo vao tafiditra. Vokany, lasan’ireo jiolahy nandritra izany, ny vola be mitentina eo amin’ny 150 tapitrisa Ariary tao an-tsena. Napetraky ny mpivarotra tao anaty gony sy bidon ireo vola ireo. Noho ny tahotra, tsy afa-nihetsika ny olona tao an-tsena. Nanararaotra nisava ny tsena, nikaroka sy nandroaka ireo vola ireo jiolahy.
Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy rehetra ireo rehefa avy nandroba ny entana sy ny vola tao an-tsena. Nihazo ny lalam-pasika manamorona ny FDC ny lalan’ireo jiolahy taorian’ny asa ratsiny. Nisy ireo olona nanara-dia ireo olon-dratsy saingy norahonan’izy ireo tamin’ny basy ka niverina. Nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany ny tompon-trano, taorian’izay. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny fanafihana izy ireo tany an-toerana, vantany vao nahazo antso. Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo, mahakasika ny fikarohana ireo jiolahy. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana kosa ireo fianakaviana lasibatra taorian’ny tranga. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra tamin’io trangana fanafihana io.

Mino

Partager sur: