Nidina ifotony tany amin’ ny kaominina Fotadrevo, distrika Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, ny alakamisy 16 avrily teo, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl. Notsidihiny tamin’izany ny toeram-pitrandrahana misy ny tetikasa Molo. Fitrandrahana mamokatra manjarano na grafita. Mamokatra 17 000 taonina, isan-taona, ny orinasa NextSources. Akora aondrana any ivelany, ilaina amin’ny famokarana bateria, hitahirizana angovo, ampiasaina amin’ny fiara mandeha amin’ny herinaratra, izay miroborobo tokoa, ankehitriny, izy ity.
Notsipihiny fa ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana Fanavaozana (PGE-R) ny hisitrahan’ireo toerana eny ifotony voakasiky ny fitrandrahana ny tamberim-bidy azo amin’izany otrikarena eto Madagasikara izany. Araka izany, manana tetikasa manokana, fandraisana andraikitry ny orinasa ho an’ny fiarahamonina (RSE) ny NextRessources. Anisany ny fananganana Lycée, izay efa manomboka ny asa.
Fampandrosoana ifotony
Nilaza ny ben’ny Tanàna ao Fotadrevo, Ranampy Origènes, fa sambany nisy tomponandraikitra ambony tonga tany an-toerana. Mahavelombolo ny tantsoroka omen’ny fanjakana, hikatsahana fampandrosoana eny ifotony sy hisian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
Nahatsapa ho tsy natao an-jorom-bala ny orinasa NextRessources, matoa midina an-toerana mahita maso toy izao ny fanjakana.
Njaka A.




