Notanterahina ny zoma 17 avrily teo ny fivoriambe ara-potoana voalohany, an’ny Sendikan’ny inspekteran’ny Ladoany eto Madagasikara (SIDM). Fotoana nankatoavana ny sata mifehy sady nanitsiana ny andininy sasany ihany koa. Tafapetraka ny mpikambana isam-baomiera ao anaty birao mpitantana, hanatanteraka ny vinan’ny sendika. Nambaran’ny filohan’ny SIDM, i Daramanana Andriamanalina Herizo Geroges, fa mpiasa ambony ao amin’ny Habantseranana ny inspekteran’ny Ladoany. Misy ny pitsompitsony mampiavaka azy ireo, miohatra amin’ny hafa, amin’ny lafiny sendikaly, ara-kasa, ka tsy maintsy tsinjovina ny fiarovana ny mpiasa sy ny holafitry ny mpiasa. Efa nisy ny fikambanana « Amicale des inspecteurs de douanes » natsangan’ireo mpiasa zokiny, teo aloha, ka tonga ankehitriny ny fotoana hananganana sendika.
Ho an’ny filohan’ny SIDM: « tsy marina sady tsy mitombina velively ny fandotoana anaty tambajotra ny inspekteran’ ny Ladoany mitazona andraikitra ambony ireny. Misy ny dingana manaraka ny lalàna ». Mampitandrina izy ireo fa handray fepetra, hanenjika araka ny lalàna, ireo minia manao izany. « Iray ihany ny Ladoany, ary tsy mivaky », hoy izy.
Njaka A.




