Vina ny hampakatra ny harinkarena faobe avy amin’ny indostria ho 30% amin’ny taona 2040, raha toa ka mbola 15% monja izany ankehitriny. Iray amin’ ireo fitaovana lehibe hanatanterahana izany ny tetikasa fampandrosoana ny faritra, ny fanodinana ny vokatry ny fambolela any amin’ny faritra Atsimo andrefana (PTASO). Tombanana ho 120 000 eo ny asa hateraky ny tetikasa. Hitsangana tsy ho ela koa ny Tahirim-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny indostria (FNDI).
Mahatratra 10 000 ireo olona misitraka ny rafitra famatsian-drano maro fampiasa (MUS) miisa
13 ao amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo. Maherin’ny 1 700 kosa ireo mponina hisitraka ny fotodrafitrasa maoderina sy maharitra. ahitana ny “forage” misy paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro, siniben-drano 15 m³, tambajotran-drano mivelatra izany. Ao koa ireo kioska “Smart tap” ary ny rafitra fanondrahana ho an’ny fambolena.
Napetraka tao Ambohigivy ny tetikasa Least Coast Electricity Access Development (Lead)
vatsian’ny Banky iraisam-pirenena. Notanterahina omaly ny fampifandraisana ny taribin-jiro mitondra herinaratra mavesatra ao an-toerana. Voatery naato avokoa ny famatsiana herinaratra tamin’ny faritra sasany ho fanatanterahana ny asa. Mbola ho tohizana any amin’ny toeran-kafa ny tetikasa, ho fanitarana ny tambajotra.




