Ady amin’ny valala : Velaran-tany 200 000 ha voatondraka fanafody

Voafehy ny ady amin’ny andiam-balala any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tanteraka izany vokatry ny tohana nataon’ny FAO sy ny Banky iraisam-pirenena ny governemanta malagasy.

Azo antenaina ny hiroboroboan’ny fambolena any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy amin’ity taom-pamokarana 2026 ity. Antony, voafehy ny ady amin’ny adiam-balala ary tsy atahorana hihanaka intsony. Maherin’ ny 200 000 ha ny veleran-tany voatondraka fanafody, tamin’ny alalan’ny ady an-tanety sy ana habakabaka. Nampiasa­na helikoptera ny 2/3-n’ny tamin’ny hetsika natao. Mano­me fanantenana ny mpamboly izao ezaka lehibe ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA) izao. Hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha, hitondra fampandrosoana isam-paritra sy ho an’ny firenena.
Nitsidika tany Sakaraha sady nankahery ary nanome fan­kasitrahana avy amin’ny fanjakana ny minisitry ny Fam­bole­na, Ramindo Gaëtan, ny 18 avrily teo. Nanotrona azy koa ny mpitantana ny Ivon­toerana Famongorana ny Va­lala eto Madagasikara (IFVM). Nisaotra manokana ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Ma­dagasi­kara, toy ny Fandaha­ranasa iraisam-pirenena misahana ny ara-tsakafo (FAO) sy ny Banky iraisam-pirenena ny minisitra. Miten­tina 2 tapitrisa dolara ny vola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, nentina nampitaovana ny IFVM. Antenaina fa hisy akony izany tohana izany amin’ity taona 2026 ity.

Hampilaza haingana raha misy tranga
Nanentana ny mpiasa rehetra any an-toerana sy ny tantsaha mpamokatra ihany koa ny minisitra, Ramindo Gaëtan, mba ho samy hanohy ny ezaka efa natao. Hampi­laza haingana ireo manam-pahefana raha toa misy tranga miseho, mba hisorohana ny fihanaky ny valala. Satria mbola ao anatin’ny ady amin’izao fotoana izao.
Marihina, fa hafindra any Ankazoabo indray ny toby ana habakabaka, manomboka anio, 21 avrily, noho ny fahavitan’ny ankamaroan’ny velaran-tany tany Sakaraha.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: