Fanafihana mitam-piadiana : Moto iray sy vola 17 tapitrisa Ariary voaroba

Raha halatra sy fanendahana, fandravana, vaky trano arahina fampiasana fitaovam-piadiana no malaza, taorian’ny rivodoza Gezani, efa miverina miakatra indray izao ny lentan’ny asan-jiolahy eto Toa­masina. Vola mitetina 17 tapitrisa Ariary haterina amin’ny banky iray eto an-toerana no voaroba raha efa nahazo fotoana tamin’ny tomponandraikitr’ity banky iray ity ilay olona handeha handrotsa-bola, ny herinandro teo. Tamin’ ny 9 ora maraina, nivoaka ny tranombarotra hitondra ny vola ilay mpiasa irakiraka ka nametraka izany tao anaty moto. Mbola tsy nandingana lavitra akory, nosakanana andian-jiolahy roa manao taingin- droa amina moto ity farany. Nanambana basy poleta an’ilay mpiasa ireo ka nandrahona azy hiala eo ambonin’ilay moto. Noho ny tahotra ny ainy, voatery nidina ny tenany raha saika hanohitra ihany. Saingy hitany fa tena basy no nentin’ireo olon-dratsy ary tahaka ireny ana mpitandro ny filaminana 9 milimetatra ireny izany, araka ny nambarany hatrany. Tsy nisy basy nipoaka fa tao anatin’ny fotoana fohy dia vita ny fandrobana. Taorian’izay, nitsoaka nihazo ny lalana Betao mivoaka any amin’ny tsenan’ Ambolomadi­nika izy roa lahy. Samy nitondra moto iray avy ka ny faharoa ilay moto marika Cygnus misy vola norobaina.

Sajo

Partager sur: