Vita sonia ny sabotsy teo ny fiaraha-miasa lasitra eo amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Antananarivo (CCIA) sy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ary ny tolotra ao amin’ny faritra Rabat-Salé-Kénitra (CCIS RSK). Fifanaraham-piaraha-miasa hijerena ireo sehatra stratejika ka ahafahan’ny roa tonta mifanakalo sy mifampizara ny tahirin-kevitra samihafa. Hojerena ny momba ny varotra ivelany, ny tontolon’ny fampiasam-bola, sy ny saran’ny hetra. Eo koa ny sehatry ny fitaterana sy ny fizahantany. Misongadina ao anatin’ny faiaraha-miasa ny fanofanana ireo mpisehatra ara-toekarena sy tohana ho an’ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany. Ho tohanana ireo varotra fampirantiana ataon’ny firenena roa tonta hampiroboroboana ny fifanakalozana. Haharitra 5 taona, azo havaozina, ny fifanarahana, mikendry ny hampiroborobo ny fampiasam-bola sy ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny samy mpandraharaha. Vina iombonana ny hanokatra lalam-barotra sy hifampizara traikefa ary fahaiza-manao ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Tafiditra ao anatin’ny hetsika famarana ny salon de la créativité Voatra, andiany faha-12 ny tetikasa natao. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny fitrandrahana ny tsena iraisam-pirenena.
Henintsoa




