Niara-voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka, ireo mpiasa efa-dahy nangalatra moto an’ny mpampiasa azy, tao Ambohibao, afakomaly. Niasa tao amina orinasa iray ireo efatra mirahalahy ireo. Nametrahan’ny mpampiasa fitokisana izy ireo ka samy niandraikitra moto iray avy isanisany. Tsy naverin’ireo olona tao amin’ny orinasa intsony anefa ny moto ka nametraka fitarainana teny amin’ny manam-pahefana ny tomponandraikitry ny orinasa. Niroso tamin’ny fikarohana ny zandary. Olona iray miasa amin’ny garazy tsy lavitra an’io toeram-piasana io voasambotra. Nitoroka ireo olon-dratsy niaraka nanatontosa ny halatra moto taminy io lehilahy io. Sarona teny Ankadikely Ilafy ny mpiasa iray sy ny moto nangalariny. Nosamborina tao Ambohibao sy teny Ambohijanaka kosa ireo roa namany. Tafakatra efatra, araka izany, ireo olon-dratsy voasaringotra tamin’io halatra moto io. Nentina natao famotorana izy ireo ary nogiazana avokoa ireo moto miisa efatra. Hatolotra ny fampanoavana aorian’io ireo mpiasa nivadi-pitokisana sady nangalatra ireo. Tsy milefitra manoloana ireo mpandika lalàna indrindra fa mikasa hivelona amin’ny halatra ny zandarimaria.
Tsiferana R.




