Asan- jiolahy ao Toamasina : Lavon’ny balan’ny polisy i Coco

Ela nitoratorahana ka lavon’ny balan’ny polisy tao Tanambao Verrerie i Pascaud Edvin, fantatry ny maro amin’ny solonanarana hoe Ra-Coco, 32 taona. Tovolahy vao erotrerony saingy efa mpamerin-keloka. Ra­ha iverenana ny zava-nitranga, natory tany amin’ny tranon- drainy ao Tanambao Verrerie izy ny alahady 19 avrily teo. Reraky ny torimaso izy, araka ny nambarany tamin’ny rainy fa avy namonjy alim-pandihizana. Nirahin-drai­ny hividy hazo hanamboarana trano simban’ny rivodoza izy, ny alatsinainy. Tsy nandeha anefa io tovolahy io fa nitaraina ho mbola reraka sy tsy ampy torimaso. « Tsy nijery azy intsony tao amin’ny efitrano fatoriany aho taorian’izay », hoy ny rainy. Akory ny hatairan’ity farany nahare tamin’ny tambajotran-tserasera fa misy fatin-dehilahy ahina ho ilay zanany ao amin’ny tranom-paty eo anivon’ny hopitaly. Nanamarina io zava-nisy io ny fianakaviany kanjo ilay zanany lahy tokoa io hita faty io. Raha nanontaniana hatrany ity rainy ity dia nilaza fa tsy an’asa ny zanany lahy ity. Araka ny loharanom-baovao, voalaza fa nifanehitra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana io lehilahy io rehefa nikasa hamaky trano. Lavo nandritra ny fisamborana azy izy. Efa voaheloka hisazy 5 taona an-tranomaizina i Coco, ny taona 2020.

Sajo

Partager sur: