CNTEMAD Discovery Days : Sehatra hidirana amin’ny matihanina

Hiditra amin’ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra ny CNTEMAD amin’ny alalan’ny Université virtuelle public. “Hiova tsikelikely ny fampianarana mba hanamora ny fahalalana sy hisitrahan’ny mpianatra dip­laoma. Tanjona ny hamoaka mpianatra hahay hamorona asa”, hoy ny tale nasionalin’ny CNTEMAD, ny Pr Rakotoma­henina Pierre Benjamin, oma­ly, nandritra ny fampahafantarana ny « CNTEMAD Disco­ve­ry Days ». Ity farany izay varavarana misokatra ho an’ny rehetra, atao etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahama­sina, ny 24 sy 25 avrily. Ham­pahafantarina mandritra ny roa andro ireo lalam-piofanana misy eo anivon’ity rafi-pampianarana ity. Kendrena ny hanomezana torolalana sy hanampiana ireo mpianatra, tanora na ireo efa eo amin’ny sehatry ny asa hisafidy ny lalana akademika sy fiofanana harahiny.
30 taona nisehatra tamin’ny fampianarana ampitain-davitra ny CNTEMAD. Mahe­rin’ny 200 000 ireo mpianatra nivoaka sy nisitraka mari-pahaizana. Ankehitriny, mikasa ny hanokatra lalam-piofanana momba ny tontolo iainana sy ny fizahantany ary hanokatra ny école Doctorale ny CNTEMAD, raha ny fanazavana hatrany. Ankilany, misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ihany koa ny rafi-pampianarana hanasoavana ny tanora sy hanatsarana ny kalitao sy ny lentan’ny fampianarana. Vita sonia tamin’izany ny fiaraha-miasany amin’ny Radio Don Bosco. Ity onjam-peo ity izay mandray mpianatr’asa amin’ny sampana Ita sy serasera. Ankoatra izay, hisy ny lohahevitra hovoaboasana sy fanentanana maro samihafa mandritra ity hetsika « CNTEMAD Discovery Days » andiany voa­lohany ity.

Henintsoa

Partager sur: