Roa andro nokarohina: Lehilahy hita faty natsingevan’ny rano

Natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Ampanoa­vamatso-Morarano, kaominina Mahavelona, distrikan’­ Anka­zobe, ny lehilahy iray, ny alatsinainy 20 avrily teo. Niaraka tamin’ny namany telo lahy izy, ny sabotsy 18 avrily teo, araka ny fanazavan’ny fianakaviany. Samy avy niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana vato izy efatra ireo ka nikasa hamonjy fodiana any amin’ny vady aman-janany avy. Nividy kisoa ireo mpiara-miasa ireo ary niantso ny tany an-tanàna fa hiampita rano. Tsy nahazoana loharanom-baovao intsony anefa io lehilahy iray io taorian’izay. Nikaroka azy ny fianakaviany saingy tsy nahazo loharanom-baovao marim-pototra mirakitra ny zava-nisy. Naharay antso ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Antolojanahary fa misy olona hita faty, io alatsinainy maraina io. Nidina ifotony nanao ny fizahana ny vatana mangatsika an’ilay lehilahy ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBI ao Anjezika. Tsy nahitana ratra na mangana tamin’ny vatan’ilay lehilahy. Fahafatesana vokatry ny fahasemporana no ahina ho nitarika ny fahafatesan’ity olona ity. Mponina avy any Antsirabe ilay hita faty, araka ny taratasy hita teny aminy.

Tsiferana R.

Partager sur: