Fampandrosoana: Vonona hanohana i Frantsa

Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Frantsa ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP), Raharimanjato Ny Riana Nampoina, sy ny masoivoho frantsay miasa eto Madagasikara, Arnaud Guillois, omaly.
Voaresaka manokana tamin’izany ireo tetikasa goavana toy ny fananganana tohodrano lehibe, ny sehatry ny angovo sy herinaratra, ny fanarenana ny seranan-tsambo ao Antsiranana ary ny orinasa Secren. Nivoitra tao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ny hametrahana tondrozotra mazava eo amin’ny Gem sy ny Medef. Tanjona ny hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny sehatra tsy miankina, Malagasy sy Frantsay. Marihina fa mitentina 1 miliara euros, isan-taona, ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Mbola azo hatsaraina izany. Ankilany, nojerena ny fomba hanatsarana ny fitaotaovan-ketra, ny fadintseranana ary ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny. Kendrena manokana ny hanamorana ny fampiasam-bola sy ny fifanakalozana ara-barotra.
Nanamafy ny minisitra fa vonona hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa ny fanjakana malagasy.

Henintsoa

Partager sur: