Sehatra tsy miankina : Fitakiana hamerana ny karama farany ambany ho 360 000Ar

Andrasana amin’ity herinandro ity ny fanapahan-kevitry ny Fivondronan’ny orinasa eto Madagasikara (Gem) sy ny Fivondronan’ny Mpandraharaha malagasy (Fiv.mpa.ma) momba ny famerana ny karama farany ambany ho an’ny sehatra tsy miankina.

Anatin’ny fifanakalozan-kevitra amin’izao fotoana ny sendikan’ny mpiasa sy ny solontenan’ny mpampiasa momba ny famerana ny karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa (SME) ho an’ny taona 2026. No­lavin’ny sendikan’ny mpiasa ny tolo-kevitra naroson’ny Gem sy Ny Fiv.mpa.ma ary ny Conférence des travailleurs de Madagascar (CTM) ny hamerana ny karama farany ambany ho 300 000 Ar, tamin’ny volana febroary. Maro amin’ireo sendika no mihevitra fa tsy ampy izany manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Takin’ izy ireo ny hampiakarana iza­ny ho 360 000Ar, nandritra ny dinika nataony farany niaraka tamin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana. Fangata­ha­na izay mifanaraka amin’ny zava-misy amin’izao fotoana sy araka ny vina apetraky ny fanjakana amin’ny hampiakarana ny vatsim-pianarana sy ny karaman’ny mpiasam-panjakana. “Marefo ny fahefa-mividin’ny mpiasa malagasy izay miady amin’ny fahantrana isan’andro”, hoy ny filohan’ny Randrana sendikaly, Rakoto­manga Barson. Nilaza kosa ny Banky iraisam-pirenena fa ampy hialana amin’ny fahantrana ny fandraisana vola 3 dolara isan’andro izay mitovy amin’ny mandray vola maherin’ny 400 000 Ar isam-bolana.

Andraikitra

Maniry ny hitondran’ny fanjakana ny vahaolana ireo sendika raha tsy misy ny fifanarahana tapaka eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa, raha ny fanazavana hatrany. Ny fanjakana izay heverina ho vahaolana sy mahafantatra ny zavatra iainan’ireo mpiasa eo amin’ny sehatra tsy miankina. Ankilany, miantso ny firaisankinan’ny mpiasa rehetra ny randrana sendikaly ho an’ny tombontsoa iraisana sy ho fanajana ny zon’ny mpiasa. Hetsika izay atomboka amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpiasa, ny 1 mey. Hisy ny diabe atao izay miainga etsy 67 Ha. Marihina fa nitaky fisondrontan-karama tsy latsaky ny 1 tapitrisa Ar efa hatramin’izay ity sendika ity.

Henintsoa

Partager sur: