TSELATRA

Raim-pianakaviana iray 57 taona mipetraka any Andramasina no voasoloky vola 7 hetsy Ariary. Naharay hafatra tamin’ny finday izy ny 15 avrily lasa teo. Anisan’ny nahazo tosika fameno 20 tapitrisa Ariary izy ary nantsoiny ilay laharana. Notakin’ilay olona 2 000 Ar sy 6 alina Ariary tany am-boalohany. Niitatra izany ka lasa tafakatra 7 hetsy Ar. Manao fangatahana amin’ny fitondram-panjakana, araka izany, ny tenany mba hijery sy handray fepetra mahakasika ireny olona misoloky ireny.
Tokantrano iray nahitana rihana roa sy efitra maromaro no nirehitra omaly hariva tamin’ny 4 ora sy sasany, tetsy Ambondrona. Kilan’ny afo nandritra izany, ny efitra dimy tao anatiny. Ankizy 10 taona no tazan’ny olona nilalao lasantsy sy afo tao an-trano ka mety antony nahatonga ny firehetana. Voafehy tanteraka ny afo ta­min’ny 5 ora sy 45 mn. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy.
Lehilahy iray tokony 40 taona hita faty tetsy akaikin’ny fiantsonan’ny bus 172, Anosibe Tsena, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora tany ho any. Tsy mbola voafaritra ny antony nahafaty azy. Tsy nisy nahafantatra azy koa ny olona teny amin’ny manodidina. Efa tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena. Naka ny razana ary nanatitra izany teny amin’ny tranom-paty ny avy amin’ny BMH.

Partager sur: