Mbola ampahany ihany fa tsy Menabe manontolo. Hanao hetsika « Busness day » fampahafantarana ny tontolon’ny fizahantany amin’iny faritra iny ny eo anivon’ny Groupe Kimony amin’ny alalan’ireo « Centre ecoutouristique du Menabe ». Hanomboka anio, hatramin’ny rahampitso, etsy amin’ny zaridain’Antaninarenina izany. Ahitana ireo tranoheva momba ny hotely fandraisam-bahiny, ny tontolon’ny fizahantany, ny sakafo sy ireo « Agence de voyage ». Eo koa ny vokatry ny asa tanana, namboarin’ireo sembana ankoatra ireo olon-tsotra, toy ny mananontena. Manampy izany ny fampahafantarana ny Ofisim-paritry ny fizahantany Menabe… Ho an’ny Groupe Kimony manokana, manana hotely, « Maison d’hotes ». Eo koa ny foibe fizahantany ao Antsirabe sy ny any Menabe ary eto Antananarivo. Etsy andaniny, hisy tolotra ho an’ireo tanora hiofana na hitady asa ary handraisana ny mombamomba azy ireo (CV) koa eny an-toerana.
Nambaran’ny mpikarakara fa anisan’ny hampiavaka ny hetsika ny fahitana ny tranoheva ho an’ny « Festival Botry ». « Maneho io karazam-pitaterana io izany sady fanehoana ny hetsika momba izany any Belo ambonin’i Tsiribihina », hoy izy ireo.
Tsiahivina fa andiany voalohany izao hetsika izao ary heverina ny hanaovana azy isan-taona.
Synèse R.




