Nakatona vonjimaika ny tsena iray ao Anosibe noho ny tsy fanarahana ny fenitra sy ny fitsipika mifehy ny asa. Vary amidy tamin’ny mpivarotra maromaro koa no nakana santionany alefa ho tiliana, hanaporofoana raha misy tokoa ny vary nafangaro. Ankilany, nisava ny taratasim-barotra toy ny faktiora, nahafahana nanamarina raha ara-drariny ny vidin’entana ireo mpanaramason’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, nandritra ny fidinana ifotony, omaly.
Niofana momba ny ady amin’ny kolikoly, ireo fomba fanao tsara eo amin’ny sehatrasa, ny fisainana mpandraharaha ireo mpianatra miisa 137 avy amina sekoly ambony. Eo ihany koa ny famatsiam-bola momba ny tetikasa, ny hay tarika, ny serasera ary ny fampivoarana ny tena. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny « Pôle stage Madagascar » andiany faha-12. Tanjona ny hanomanana sahady ny fidiran’izy ireo eo amin’ ny tontolon’ny asa.
Nanaraka fampiofanana mifototra amin’ny fanazavana sy fanazaran-tena tao Morondava ireo mpanangona antontan-kevitra momba ny asa fanjonoana. Tanjona ny hahatonga ny fanaraha-maso iombonana ho tena miasa tanteraka amin’ny tanàna tsirairay. Hiantohana ihany koa ny fahamarinan’ny antotam-baovao voaangona. Marihina fa olona roa isaky ny tanàna 11 no lasa mpanangona antontan-kevitra momba ny asa fanjonoana taorian’ny fampahafantarana, fanentanana tany an-toerana.




