Indroa nanolana ny zanak’anabaviny: Lehilahy naiditra vonjimaika any am-ponja

Tratra teo am-panaovana ny filan-dratsiny, nentin’ny fianakaviany teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray 33 taona nanolan-jaza tetsy Anka­dindra­tombo, kaominina Ala­sora, afakomaly. Ankizivavy 8 taona, zanaky ny anabavin’io lehilahy io ihany no naolany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana. «Nidiran’io lehilahy io tao an-trano ilay zanak’anabaviny. Efa indroa naolany ilay zaza», hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny tomponandraikitra. Tsy nampoizin’ity lehilahy ity ny fahatongavan’ny renin’ilay zaza. Natao fanadihadiana teny anivon’ny biraon’ny polisy ilay nahavanon-doza. Niaiky heloka izy ary nanamafy fa nandritra ny fetin’ny alatsinain’ny Paka no nanolanany voalohany an’io zanak’anabaviny io. Mano­loana ity tranga ity, nandray andraikitra avy hatrany ny polisy misahana ny moraly sy miandraikitra ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona (PMPM). Niroso tamin’ny famotorana.

Notsaboina
Nandritra ny savorovoro niseho tamin’ny fotoana nahatrarana an’ilay lehilahy tsy valahara nahavita nanolana zaza, nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ilay zazavavy lasibatra. Natao fitiliana izy ary efa manaraka fitsaboana sahaza azy. Tetsy ankilany, tsy niandry ela ny mpitandro filaminana eo anivon’ny PMPM. Nentina teo anatrehan’ny fampanoavana ny raharaha, omaly. Nohainoin’ny mpitsara mpanao famotorana ilay nanolana ary notazomina vonjimaika any am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy. Tsiahivina, raràn’ny lalàna ary ahazoana sazy henjana ny fanolanana, indrindra fa ny fanolanan-jaza.

Tsiferana R.

Partager sur: