Taom-pamokarana 2026 : Fitaovana maro tsy hahavery ny voka-bary

Araka ny antontanisa ofisialy, very fotsiny ny 15% ny voka-bary eto amintsika. Antony, tsy ampy na tsy misy ny fitaovana sahaza ampiasaina amin’ny fijinjana sy ny fitahirizana ny vokatra. Nosanta­rina ny 23 avrily teo, ny taom-pamokarana 2026, tany amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Antsirabe II, faritra Vakinankaratra. Natolotry ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), ny fitaovana marobe, hamahana ity olana amin’ny fahaverezam-bokatra ity, izay ao anatin’ny tetikasa FCRP.
Nahitana fivelesam-bary sady mikororoka mandeha milina miisa 33, fivelesam-bary voizin-tongotra miisa 316 ary fikororohana voizin-tongotra 201. Haparitaka any amin’ny faritra 12, toerana tena mpamokatra vary ireo fitaovana ireo, toy ny any Boeny, Diana, Vakinankaratra, sns. Nahazo ny anjarany tamin’ity fotoana ity, noho izany, i Vakinankaratra.
Nambaran’ny minisitra, Ramido Gaëtan, fa tanjona ny hampihenana ny masonka­ren’ny tantsaha. Tanteraka izany, noho ny tohana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny
Ho an’ny kaominina Am­bo­hibary, tanjona, ny hisitrahan’ny tantsaha mpamokatra miisa 575, afaka mively sy mikororoka vary akotry milanja 720 taonina, avy amin’ny tanimbary mirefy 230 ha.

Tombony 70 kilao isan-tokantrano
Hihena 5% sisa ny vary very raha 15% hatramin’izay. Izany hoe, hahazo 40 taonina vary akotry tombony, na 70 kilao isaky ny tokantrano. Manampy ireo, nomena zezika «urée» 20 taonina, ma­somboly vary 7,5 taonina iha­ny koa ny tantsaha hiatrehana ny voly avotra 2026. Hitohy any Analamanga sy Fitovi­nany ny hetsika.

Njaka A .

Partager sur: