TSELATRA

Nahitana fatim-behivavy iray tokony ho 25 taona tetsy amin’ny ranon’i Sisaony, Anosikely Ando­hatanjona Itaosy, omaly maraina. Nampakatra ny razana avy tao anaty rano ny mponina. Tonga nizaha ny razana sy nijery ny zava-nitranga ny mpitsabo sy ny polisim-pirenena. Tsy niakanjo intsony ny tapany ambany. Tom­banana ho efa herinandro ny nahafaty azy satria efa simba tanteraka. Tsy voamarina raha fanolanana niharo vono ny nahafaty azy. Tombanana ho novonoina tany ho any izy ity ary natsipy tany anaty rano avy eo.
Novakian’ny jiolahy ny fasana iray tao Ava­rakady, fokontany Madiorano, kaominina Anjana­doria, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Very, nandritra izany, ny ampahan’ireo taolambalo. Navelan’ireo tsy valahara nisokatra ny varavaram-bato. Nahatsikaritra izany ny mpandalo ka nampandre ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Velon-taraina manoloana ny tranga vaky fasana ny fokonolona ao amin’ny kaominina Anjanadoria. Hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana kosa ny mpitandro filaminana.
Lehilahy dimy tra-tehaky ny polisim-pirenena tetsy La Réunion kely, ny alarobia 22 avrily 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Sarona teo am-pidorohana sy teo am-pitsindromana Heroine izy ireo. Nahitana sachet36 misy héroïne tany amin’izy ireo rehefa nosavaina. Efa miatrika fanadihadiana eny anivon’ny polisim-pirenena izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana.

Partager sur: