Antsampandrano: Mpangalatra moto naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana, naiditra vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nangalatra moto tao Antsofinondry, distrikan’Avaradrano, ny zoma 24 avrily teo. Nitrangana halatra moto tao an-toerana, ny alatsinainy 20 avrily. Nentin’ny olon-dratsy ny moto marika Kymco GP. Nametraka fitoriana teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny tompon’ny moto very. Niroso tamin’ny fanangonam-baovao ary nikaroka ilay olona ahina ho tompon’antoka ny polisy. Voasambotry ny mpitandro filaminana teo amin’ny tobin-dasantsy, teo Ankadindramamy, ny lehilahy iray voarohirohy ho nanao io halatra io. Nentina avy hatrany natao famotorana io olona io. Niaiky heloka tokoa izy ary nitoroka ny toerana nanitrihany ny moto. Nafenina tao an-tranony, teny Antsampandrano, ilay moto. Notazomina ary natolotra ny fampanoavana taorian’io ilay mpangalatra. Naverina amin’ny tompony ny moto. Notazomina ao amin’ny fonjan’Avaradrano ilay voasambotra, araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana.

Tsiferana R.

Partager sur: