Asa vaventy : Mila fampitaovana ny orinasa SMATP

Anisan’ny firenena tena mandray anjara amin’ny fanaovan-dalana eto Madagasikara ireo orinasa sinoa. Nitsidika ara-pomba fanajana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafefimanana Sambilason Richard, ny masoivohon’i Sina, Ji Ping, tamin’ny tapaky ny avrily teo. Anisan’ny noresahina ny fomba fanavaozana sy ny hamelomana indray, ny orinasa SMATP, izay iarahan’ny fanjakana sinoa sy malagasy mitantana, saingy niato tamin’ny asany, efa an-taona maro izao. Voakasik’izany ny fangatahana fanomezan-tanana amin’i Sina, ny fanomezana fitaovana ity orinasa ity.
Nangataka fanohanana amin’ny endrika fampitaovana ho an’ny minisitera MTP sy ny Fitantanam-paritra (DRTP) ihany koa ny minisitra Rafefimanana S, hanatanterahana ny asa maika sy vonjy taitra ao anatin’ny hamehana, manerana ny Nosy. Eo koa ny fangatahana famatsiana fitaovana angovo. Ankoatra ireo, noresahina ny fiaraha-miasa amin’ny fama­tsiam-bolan’ny firenena sinoa ireo tetikasa laharam-pahamehana samihafa. Anisan’izany ny ampahany amin’ny lalam-pirenena RN13, ny RN27 ary ny Lalan’ny vary. Ho hamafisina ihany koa ny fandrindrana ireo tetikasa efa mandeha.

Njaka A.

Partager sur: